Jesôsy ôh, inty aho mifona aminao,
Ilay nitondranao ny hazo fijaliana;
Dia ny rànao indray no nalatsaka
Nikoriana mba hamonjena ahy
Mba diovy amin'ny rànao aho, Jesôsy ôh!
Mba sasao, tena mitalaho aho!
Miandrandra famonjena avy amin'ny rànao
Jesôsy ôh! ôôh!, ity zanakao!
Latsy heso no niaretanao ny amiko
Nokapohina sy nampijaliana,
Niafara tamin'ny fahafatesana;
Nohon'ny zanak'olombelona aah!
Ilay tsy mendrika hatramin'izao
Ka miandrandra ny indrafonao.
Mba diovy amin'ny rànao aho, Jesôsy ôh!
Mba sasao, tena mitalaho aho!
Miandrandra famonjena avy amin'ny rànao
Jesôsy ôh! ôôh!, ity zanakao!!.. Ôh ooh!
Mba diovy amin'ny rànao aho, Jesôsy ôh!
Mba sasao!!, tena mitalaho anie aho!
Miandrandra famonjena avy amin'ny rànao
Jesôsy ôh! ôôh!, ity zanakao!
Miandrandra famonjena avy amin'ny rànao
Jesôsy ôh! ôôh!!, ity zanakao!!