Raha mba fatra-paniry maniry zava-panahy,
Izao no tadiavo indrindra dia ny hampandroso fiangonana,
Ilay hafanana ao anaty ao,
Ezaho mafy ny fiantsoanao,
Dia mitsangana ka mihazavà,
Fa amin'izao tontolo izao,
Lehibe ny valin'ilay fahasahiana,
Amin'ny fo madio sy ao anaty hafaliana,
Mbola hiainantsika indray,
Miandry antsika izao tontolo izao,
Manarona ao ny aizim-pito, ny ota mankalao,
Ilay Jesosy mpamonjy ahy sy ianao,
Izay entiny ho antsika dia ny fahasoavan'Andriamanitra,
Sy maso mijery ny marina.
Mahantra ianao raha miandry ety,
Hampiorina finoana no irio,
Ezaho mafy ny fiantsoanao,
Dia mitsangana ka mihazavà,
Miasa mitombo aim-panahy,
Lehibe ny valin'ilay fahasahiana,
Amin'ny fo madio sy ao anaty hafaliana,
Mbola hiainantsika indray,
Miandry antsika izao tontolo izao,
Manarona ao ny aizim-pito, ny ota mankalao,
Ilay Jesosy mpamonjy ahy sy ianao,
Izay entiny ho antsika dia ny fahasoavan'Andriamanitra,
Sy maso mijery ny marina.
A/C : RAJAONARIVELO Germain