1.Izaho no Tompo nifidy anao mba ho irako,
Vavaka, finoana itafio, fitiavana
Homba anao, homba anao aho
Ho hitanao ny voninahitro
Hiady ho anao, homba anao Aho
(Raiso ho fiadiana izany)
(Dia miara-manjaka Amiko ianao)
(Hampahafantatra anao ny atao)
Malala eo imasoko ianao, hasehoko anao fa:
"Ny harem-pasoavako holovainao
Ary hosantarinao dieny ianao mbola ety
Fahavalo efa resy ny fahavalonao
Hiseho hifanesy ireo fitahiako anao
Ny fahamasinana, ny fahendrem-panahy
Hazony mafy aza ialana o o o
Andeha fa homba anao Aho".
2.Satria izao no antony fisiako:
Dia ny handeha hilaza ny asa vitanao
Izay rehetra ao anatiko ao
(Ny fanekeko dia ny andeha)
He manantena lova ka mihira indray hoe: