Hafa ihany ny taloha fony tsy nipataloha
Na dia mamy tena mamy ny fiainana androany.
Tiako ny omaly fony mbola ampy kaly
Fa ny maro ankehitriny, miala fondro miala tsiny
Fa homana tsy mizara ka rehefa voky soa aman-tsara
Dia mandrezatra avokoa sy manao tsiombialoha
Ho an'ny alin'ny tranokely f'efa poritra sy tery,
Mampalahelo be ka ny teniko amin'ise dia...
fa hamerenako tavoahangy.
Dia izany no zava-dehibe...
Abracadabra! Abracadabra!
Fony mbola nisalaka, tsy mba nisy mafy daka
Tamin'izany ny sakafo tsy mba novidiana lafo
Mbola nahalala nifanapaka valala
Ary koa nifampiantrano rehefa tondraka ny rano.
Amin'izao fotoana izao : mifanao ankila bao.
Mitotongana ny saina fa tsy ampy tohan'aina!
Samy mody fanina, toa sarotiny aman- kanina.
Mampalahelo be, ka ny teniko @ ise dia...
fa hamerenako tavoahangy.
Dia izany no zava-dehibe...
Abracadabra! Abracadabra!
Nefa na izany aza, tiako ihany ny milaza :
Aza dia manararaotra na mateti-piavy loatra!
Mba elanelano sao dia lasa tompon-trano,
Ka ny ahiako sanatria sao mivadika mimi...
Izaho tsy manapempo fa aza tonga dia misento
Ny teniko valiana fa ny tenako aza ariana!
Ifonako raha toa nankararirary fo.
Mampalahelo be, ka ny teniko amin' ise dia...
fa hamerenako tavoahangy.
Dia izany no zava-dehibe...
Abracadabra! Abracadabra!