Ahoana ihany iky ity momba antsika ity,
Fa mankarary an-doha tokoa tokoa.
Irea Ray sy Reninao dia efa mankalao,
Mamolavola fika MBA isarahantsika...
Fa mila fiheverana ny fony.
Satria hono zahay dia olona tsy hay tsy hay
No sady tsy aleham-pananana ,
Dia hoe zaza navelan'ny mpiahaninkazo.
Satria ilay fitia dia ho doria!
Tsy ela dia ho tonga ireo zaza dongadonga
Toa tsy andriko izy izany
Fa satriko aza androany...
Ny vetsovetsoko ato anatiko ato!
Holazaintsika an'Ikoto fa resaka maloto
No hisy ambony sy ambany.
Ka tsy hitako intsony izay lazaina..
Ndriii, ndrii, maninona moa
Raha mifankatia isika roa?
''Fitiavana no lehibe indrindra''.
Baptisa , jentilsa , sy ny sisa sy ny sisa
Aleo ho hita any am - paradisa!
Eny ekeko fa ray sy reny tompon'adidy,
Fa isika aloha tompon'ny safidy.
Tonony sy feony : Roland Randriamanantsoa 1985