Ranenitoa o, miangavy an-tanan-droa
Aok’isika hiandahy hiambavy
F’aza ilaozanareo mamosavy
Hohatevenina ny fiambenana
Hanjakan’ny fandriam-pahalemana
Hianareo no sisa andrasana
K’aza ilaozana manitsa-pasana
Ireo mpangalatra loza amin’atambo
Ranenitoa o, ka raha tonga ny tokoa tokoa
Izao no paika fa aza manahy
Ho ampirimina aloha ny kiriorioka
Vorondolo no asaina misioka
No ampiadiana atsy anaty fataka
No hitsenana azy voalohany
Fa hiorina ny hodi-dohany
Ranenitoa o, ka raha mbola miseho ho mafy loha
Mody ataovy toy ny olona efa maty
Ampandrio amin’ny tany ampandrio
Eo an-tratrany amin’izany
Mody asio voninkazo vinany
Rehefa voky isika, rehefa laony
Dia ventesina ny zafindraony
Ranenitoa o, na dia izany aza mail ihany aloha
Izay rehetra any am-paosiny esory
Ndrao manafina voanjobory
Na penitra na lampe de poche i
Azafady esoriny eny aminy
Raha tsy izany dia asavo hohaniny
Hilokana aloha, inona no olana
Mba manao PMU maizim-bolana