Toa mangingina ireto ny mpianakavy
Nilaozan’i dada,nefa i zandry mbola mandady
Lasa tsy niteny,fa hoe,veloma @ neny
Dia samy nitomany,fa lasa ilay olo-mamy
Ary tsaroako ilay teni-nao
Tsy maintsy mandeha,efa voan-tso
Sady efa ho avy ny andro sy ny antso
ref: Ianao irery ihany,no
Nahitanay ireo mamy(teto an-tany)anao,anao..
Izaho mitomany hatrany,toy izany
Zoky sy zandry ihany(mitomany)anao,anao
Mbola tsaroako ny fiainana rehetra
Ny fijaliana nandalo ary nitoetra
Jereo ange ny lamba ho enti-nao
Fa bobongolo sy sisan-kalalao
Ary inoako,fa ny nofo ihany
Ho lasa vovoka,hanjary tany
Fa ny fanahy hijery eny ambony
Hijery ireto zazakam-boty
ref: Ianao irery ihany,no
Nahitanay ireo mamy(teto an-tany)anao,anao..
Izaho mitomany hatrany toy izany
Zoky sy zandry ihany (mitomany)anao,anao..
Ny hasambarana,sy fifaliana
Fa ny ao ambony no mandidy
reffrain: ô Dada ô!...........