Manantena aho fa feno hazavana ianareo
Manantena aho fa sambatra koa ianareo
Manantena aho fa mamy ny fiananareo
Manantena aho fa mora fanahy ianareo
Tsy misy lainga fa madio fo ianareo
Manantena aho fa mahay mifanampy ianareo
Tsy hila vaniny aho f'ataovy aloha izay any e !
Sady efa ela, efa ela aho no efa teto o !
Ka mbola afaka hiandry raha nahandry hatrizay
Eto foana, mbola eto foana
Manorena fitia, tiavo aloha izy
Mbola hiaona, mbola hiaona
Tsy azo heverina ho tsy misy
Mamatotra antsika efa hatramin'izay
Manantena aho fa tsara tso-drano ianareo
Mba hieren-doza, dia hiadana koa ianareo
Manatena aho fa be ny mpiaro anareo
Manantena aho fa ho lavitra anao ny toreo
Ny adin-tsaina, ny nenina sy ny alahelo
Manantena aho fa samy ho tokam-po ianareo
Tsy hila vaniny aho f'ataovy aloha izay any e !
Sady efa ela, efa ela aho no efa teto o !
Ka mbola afaka hiandry raha nahandry hatrizay
Eto foana, mbola eto foana
Manorena fitia, tiavo aloha izy
Mbola hiaona, mbola hiaona
Tsy azo heverina ho tsy misy
Mamatotra antsika efa hatramin'izay