Tsy niavonavona izy, hainao
Fa tsy hiady varotra izy, hainao
Tsy hilavo lefona hono izy
Fa mbola miandry hono izy anao
Vonona hitsahatra izy, mandra-pisandratry ny andro
Raha mbola mila dia tongotra e
Raha mila fiaramanidina ôô
Raha mianika tendrombohitra e
Raha mbola manaka danitra ôô
Tokony hoe tsy atoro anao
Miankina amin'izay tianao
Fa efa aman-taona izy miandry anao
Tsy niovaova hono izy, hainao
Fa niandry izay tianao hatao
Tsy mbola nihemotra hono izy
Fa mbola handroso any aminao
Vonona hiandry nefa izy, mandra-pisandratry ny andro
Raha mbola mila dia tongotra e
Raha mila fiaramanidina ôô
Raha mianika tendrombohitra e
Raha mbola manaka danitra ôô
Tokony hoe tsy atoro anao
Miankina amin'izay tianao
Fa efa aman-taona izy miandry anao
Tokony hoe tsy atoro anao
F'izy nefa vonona hiandry anao