Tsy reraka mihitsy zaho ny hiteny anao
Hoe tena tiako loatra fa ny lalako araho
Fa ny tena ilaiko ianao ilay mila anah
Ka handao hiara-dia tsy hisara-droa any am-paradisa
Azafady raha nisy tsy nety nataoko taminao re zao
Fa raha sitrakao dia zanako mba hoentinao hoentinao hoentinao
Zavatra tsy ampoizinao mihitsy
Fa tianao mihoatra ny molotro
Aleo zaho hiantsa ho anao
Aleo zaho hiantsa ho anao irery
'Zaho hiantsa ho anao irery
Hanambarako ny ao anatiko
F'ianao ho anah mandrapahafatiko
Ka zay andehananao tsy maintsy ho diaviko
Mbola anao ny foko hatreto
Mandra-pahatongan'ilay zanatsika
Ho faly, ho ravoravo na zaho io na tsika
Zaho hiantsa ho anao f'ianao no antsako
Satria ny ho aviko efa anao fa ianao tsy ho lasako
Ny hahasambatra anao zay no asako
Ka zay mety ho ferinao dia mety ho ratrako
Zavatra tsy ampoizinao mihitsy
Fa tianao mihoatra ny molotro
Aleo zaho hiantsa ho anao
Aleo zaho hiantsa ho anao rery
'Zaho hiantsa ho anao rery
Hanambarako ny ato anatiko
F'ianao ho anah mandrapahafatiko