Ilay teny hoe tena tiako ianao
Tena mino aho fa tsy ho vaovao
Efa nomporofoiko anao efa impiry impiry
Nanomboka tamin'ilay fitia vao nitsiry
Fa androany dia toky no omeko
Hoe izay momba anao rehetra anie hekeko
Fa hiaraka aminao mandrakizay zaho
Ny fitiavako tsy hiova aza anahy ah
Manome toky aho fa hiteny
Fa ianao hoa no vadiko eh
Mandrakizay izaho tsy hivadika eh
Na ny hatsarana na amin'ny haratsiana
Na amin'ny harena na ny tsy fisiana
Manome toky aho fa hiteny
Fa ianao hoa no vadiko eh
Mandrakizay izaho tsy hivadika eh
Zaho na higeja fa hateza na hideza aza ny aleha
Ny fiainako ary toa tsy ampy anie
Fa mbola tiako hampiana eh
Hiainako hahasambarana hizarako fitiavana ianao
Satria hifanaiky isika, fa efa nifanaiky isika
Teo anatrehan'ny avo ka andao hiara-hatrehana ny ho avy
Manome toky aho fa isika ho ravo
Fa lamban'akoho mandrakizay tsy ho rava
Isika hiteraka lahy sy vavy
Hifanohana fa tsy mba hiady
Hifampisintona raha sendra lavo eih