Atolotro ity fahatsiarovana ny lasantsika
Satria tsy azo lavina izaho sy ianao
Indray andro any raha sendra mirongatra
ka tsy ho tana ny tsiahy ao anaty,
Ivereno vangiana ireo lala-nombàna.
Atolotro ity fahatsiarovana ny lasantsika
Satria tsy azo lavina izaho sy ianao
Indray andro any raha sendra mirongatra
ka tsy ho tana ny tsiahy ao anaty,
Ivereno vangiana ireo lala-nombàna.
Atolotro ity e, ho fahatsiarovana ireo andro lasa,
D'ireo andro lasa izay mitahiry ny zava-boakasa.
Norotsoiko teny ny dina sy voady, ny feoko mikalo (ny antemam-pitia).
Ny feoko mikalo, ny antemam-pitia naelin'ny onja sy ny rivo-mandalo.

Atolotro ity ho fahatsiarovan'ny lasa rehetra
Satria tamin'ireny no nahitako ny tsiky sy tsetra.
Atolotro ity, atolotro ho anao ka raiso aza lavina,
Fa fahatsiarovana no anton'izao, eto an-tany nodiavina.