Ry tantely saraky ny ala, miverena.
Miverena, miverena aza misalasala,
Miverena re ry hany malala.
ö ry lolo kely mirenty miverena
Miverena, malahelo re ty ala vaventy,
Malahelo ry ty ala vaventy.
O lakana tia riaria, miverena
Miverena, fa mahery re ty onja maria,
Fa mahery re ty onja maria.
O ry zanaka lasa any ho any, miverena
Miverena, itodiho ihany lahy ity akany,
Itodiho ihany lahy ity akany.
O ry tiana zay mbola variana
Mihenjy any ankoatry ny vala
Tonga ity ilay ora fodiana
Miverena re ry hany malala.
O ry tiana zay mbola variana
Mihenjy any ankoatry ny vala
Tonga ity ilay ora fodiana
Miverena re ry hany malala.