Aiza moa ianao, Ry malala?
Fa manina loatra an'ndry, ny aty
Elaela isika tsy nifankahita
Ka miangavy izaho mba lazao
Raha toa mbola tia ahy ianao
[ Fa mamanala anie ny akamanao, mitampify amorom-patana
Ny aty anie tia iaina anilanao, tia ahitanao mivantana ] x2
Mitadidy izay rehetra vita, maka sary an'eritreritra
Toa tsaroko teo anilan'ndry indray andro iny, hafalina mila tsy omby tratra
Ngoma sangisangy sy ireo teny mamy raha ny anilanao dia tsy foiko Malala ô
Zatra ilay tsiky sy ilay tambitamby aho, ka mandraiky marary raha toa tsisy anao
Ka miangavy izaho mba lazao
Raha toa mbola tia ahy ianao
[ Fa mamanala anie ny akamanao, mitampify amorom-patana
Ny aty anie tia iaina anilanao, tia ahitanao mivantana ] x2
[ Fa mamanala anie ny akamanao, mitampify amorom-patana
Ny aty anie tia iaina anilanao, tia ahitanao mivantana ] x2
A/C : TSIKY HASINA ANDRIAMALALA