Efa vitako tambon'ny tany ity
Fa androany aiky izaho ry zalah dia tsy afabela
Tratranao izaho manangy e
Tsisy takona, tsisy nafenina e
Tratranao daholo hatramin'ireo sipako anaky enina
Manaiky izay ho fihovanao
Manaiky izay ho fepetranao
Satria ianao malala no tompon-tsafidy sy ny teny farany
Isika lehilahy koa tsy hanaiky na dia efa hoe tojo ny anjarany
Io fitiavana io hoy aho ry zalahy tsy maha lehilahy
Raha toa diso safidy, tsy anaja dia very ialahy
Androany izaho dia vamba e
Ampitso ianao mbola ho vamba e a
Revy sy ny ditra vita ihany e
Fa mba saino koa izay hiafarana e
Dia ilay vady aman-janaka hanana ho avy mamiratra
Ekeko hoe milay wa ilay any e
Fa mba hafa koa ilay ao antrano
Ilay mahavita mikarakara anao rehefa sendra reraka
Ny lehilahy aloha tia andrakandrana e
Hitsofoany io rehefa mibanaka e
Satriny alaina daholo izay hitany e
Fa indraindray vehivavy anie hoy aho ry zareo no mitondra fakam-panahy
Ilay mi-short kely sy ny jupe kely ka manaitra ny lehilahy
Io fitiavana io hoy aho ry zalahy tsy maha lehilahy
Raha toa diso safidy, tsy anaja dia very ialahy
Androany izaho dia vamba e
Ampitso ianao mbola ho vamba e a
Vao lasa ianao tsy aiko atao
Marary fô, izaho mangan'doha
Ankilagnao izaho samabatrô
Io fitiavana io hoy aho ry zalahy tsy maha lehilahy
Raha toa diso safidy, tsy anaja dia very ialahy
Androany izaho dia vamba e
Ampitso ianao mbola ho vamba e a