Mama ô, mama ô, jereo ange !
Iry dada ô, manao jôba e !
1. Marina aloha fa tsy vazivazy
Vao eo izy mantsy no tao an-trano
Toa hafahafa, toa mamomamo
Tao am-bilany tsy nisy laoka
Lasan’ i dada indray mikaoka
Vao tazany i Zisy dia lasa izy
Navela hitakiky zahay ankizy
Lasan’ i Zisy ny dadantsika ) 2x
Tsy misy mpitrotro aho ka mangatsiaka. )
2. Tazako i dada indray hariva
Tao an - tanàna nanivatsiva
Nanaraka làlana miholankolana
Lasa any an - trano nitonatonana
Dada amin’ izany efa jobojobo
Nanaraka toerana lobolobo
Torahako vato ka saika voa
3. Adinony hatramin’ ny nametra - bola
Hividianana vary sy alikola
Kanefa ny tongotro be darosy
Vary ao an - trano tsy misy intsony
Manjary mihohoka hatramin’ ny gony
i Mama ary ve tsy mba malahelo