1. Tsaroana ve isika niaraka
Vandrahan’ ny maso tararaka
Teo akaikin’ ny morom - parihy
Lay tararaka zao mbola velona
Mbola any izy io fa tsy maty e.
Réf. Lala ô, tsaroako, tsaroako )
Lala ô, fa babo ny foko ) 2x
Lala ô, ka dia nitokoko tsy niala ô. )
2. Teo isika no nibitsibitsika
Teo isika no naira - nivavaka
Ny voady dia be noho ny vitsika
Fa tsy hisy hifanao kilavaka
Teo isika no nifanafosafo
Teo isika no nifanorokoroka
Maimay toa nodoran’ ny afo
Na toy ny kaikerin’ ny koroka e.
3. Fitiavana ts’ isy nandrara )
Fa nakarin’ ny fo samy tia ) 2x
Toy setrotaforon’ ny gara )
Ka ny lanitra no anton - dia. )
4. Teo isika no naira - nikalo
Sangisangy nifanao somonga
Ny an’ ny beso nanaitra mpandalo
Dobodoboka tahaka ny amponga e.
5. Teo isika nifanafatrafatra
Nifamihina be tonga lafatra
Na lakôly aza mbola miala e.
6. Fitiavana tsy noterena )
Mazava tahaka ny jiro ) 2x
Manoatra toa vary sy hena e )
Matavy sy matsirotsiro ô. )