F’angaha raha tsotra ny vehivavy
Dia araraotina ohatr’izany
Efa fantatrao f’izy tsy handao
Efa betsaka loatra ny zioga izay
Atsaharo fa fomba mahamenatra
Naterany ianao f’aza gaga
Raha toa mitady ho solafaka ianao
Eritrereto ny anabavinao.
Fa izy rehefa tia dia tia
Miandrandra anao ho doria.
Tsy manahy n’inona inona ataonao ahy
Fa babonao hatramin’ny ati-fanahy
Reo fijaliana ireo fahoriana
Miangavy aho aza mba ariana
Mitalaho izay ihany dia hifaliana!!!
Adaladala ny fitia, tsy mifidy izay iantefany!! Ô ô ô ôh!!!
Nangalarina hatrany ny fiarahanay
Voamaika mamy tsisy ohatr’izany!
Nifankatia tokoa izahay roa
Raràna vaomaika mivaivay ny fitiavanay ôh! ah!
Nifankatia tokoa izahay roa
Tsy hay norarana sady tsy azo atao ahoana
Raha mbola eto an-tany aloha
’Lay fitiavany ihany, tsy mba lany
Na adala na hendry na maditra ny zanany,
*Rahoviana indray vao ho hitako ianao ry tiako
Tsy andriko intsony ny fotoana tokony hidinako
F'angamba raha izao no mitohy tsy ho zakako
Asa izay hanjo, rahoviana?
Tsy nifankafoy nanomboka teo
Zaran'ny tsirairay hoe hihaona
*Tsy haiko fa lasanao daholo ny foko
Tsy haiko f'ianao irery no handriny ny loha
Haiko fa fanomezana avy any ambony
Ianao no anjara amin'ny androm-piainako. (x2)
*Tsy azon’iza fefena ny foko
Sanatria raha vavan’olona no mahakivy
Izaho sy ianao no tompon-tsafidy (x2)
Ny eo anilanao no efa nahazatra ahy
Malala aza mandeha izany ianao.
Mety hanam-pahadisoana tsy nahy
Mba hamindrao fo raha azonao atao, hm hm!
Aza ilaozanao fa mbola tena tia anao.
Tsy mahajery olon-kafa intsony aho
Lasanao avokoa ny fitiavako
Tsy rediredy sanatria, Fa tena tia. (x2)