Atolotro ho anao ity hirako ity
Hany nanome ahy fotsim-bary
Atolotro ho anao ity hirako ity
Hany nanome, hany mba nitsetra
Toy ny afon-dasy ngeza be
Raha ho avy ny andro iray ka
Hahalasananao r’ilay tambanivohi-dahy
I Jehovah Tompo anie mba hitahy
Ny hafa anie ka dia nandà
F’izaho ilay boto jiolahy
Ny hafa anie ka dia nihomehy
F’izaho ilay boto jiolahy
Atolotro ho anao ity hirako ity
Hany mba nandray ny tanako
Atolotro ho anao ity hirako ity
Hany mba nandray, nandray nanambitamby
Toa ny afon-dasy ngeza be
Raha ho avy ny andro iray
Ka hahalasananao r’ilay zavavy namako any
I Jehovah Tompo anie mba hitahy
Ny hafa anie ka dia nandà
F’izaho ilay boto jiolahy
Ny hafa anie ka dia nihomehy
F’izaho ilay boto jiolahy
Fa hono ho’aho zareo tsara fivelomana
Mihaody any aho mba manontany
Moa va ianareo tsy mba mino akory
Fa misy masoandron’ory (bis)
’Zaho anie ka tsy hitana am-po
Raha ho avy ny andro iray
Ka hahalasananao Ratsarafivelomana
I Jehovah Tompo anie mba hitahy