Tsarovy moa, ny fiainanao taloha,
Mamindro irery, ilay hafanana
Tsy misy ny, hoe, tena ilaina
Tsarovy koa, ireo nitia anao taloha,
Fa izirep raha vao ilaozanao
Ny fiainany no toa tsy mety
Ianao kanefa, tsy miraharaha izany
Fa nihevitra, ho nanana fotoana
Hoe mbola hisy hitia ahy foana
Ankehitriny raha mibanjina
Dia ho hitanao, fa fahanterana
Androany izao, hanenjika masoandro
Noheverinao ho tena vady,
Izy kanefa ny ampitso maraina
Manjary toa, tsy mety mandeha mora
Ny volana, ny andro sy ora,
Ianao manjary, mivavaka foana
Mba hoe tsy hivadika ny taona.
Ankehitriny raha mibanjina
Dia hitanao, fa fahanterana
Fa resy ianao, voatery hasitrika
Miaraka amin'ilay masoandro,
Ianao no very, tsy hipoitra intsony
Fa izy mbola hanazava atoandro
Ny zanakao manjary toa anao,
Mamindro irery, ilay hafanana
Indrisy anefa refa mibanjina
Dia ho hitany eo fa fahanterana