Oh migadra anie aho, tsy afa-mankaiza
Manahy aho ny ho antitra eo
Tsy afa-maninona, tsy afa-mankaiza
Izaho mbola mino anao ihany
Fa manantena anao mba hijery
Voadona androany aho manodidina
Fa ny ampitso aho eo no hiverina
Ny fiainako toa mihamatsatsotsatso
Tsy novalianao ilay antso
Izaho ilay bandy kely matetika tara
Fa miady irery tsy misy mahalala
Oh maniry kintana ny habakabaka iny
Ianao va no namboly ireny
Fa kitakitana anie aho d'efa mody
Ianao rahateo ilain'i neny
Dia iny ary aho manjohy irery
Toa vatokely tsisy mpijery
Fa efa zatra aho hatrizay
Raha tsy tianao aho tsy maninona
Ny maso fotsiny no mangirana
Raha tsy tianao aho tsy maninona
Ny foko fotsiny no manindrona
Izaho ilay bandy kely sakaizan-gitara
Tsy maharitra ela, tsy mety tamana
Ny fitiavako tsy nasiako sira