Aza tsahoan’ialahy letsy aho ry lery
Haiko tsara izany kôzy izany
Efa olona maro be lesy ry lery
No efa nampanantena izany
Izaho no mitalaho fa iny tsy mba manan-tsiny
Fa ny lanitra aza nanadino ahy a
Aza tsahoan’ialahy letsy aho ry lery
Haiko tsara izany kôzy izany
Fandriana tsy anananay lesy ry lery
Tsy ialahy no hampahalala izany
Tsy ianareo ihany no mpiresaka izany
Fa ny fandriana ihany no itovizana eto an-tany
Fandriana aza nanadino ahy a
Aza tsahoan’ialahy letsy aho ry lery
Haiko tsara izany kôzy izany
Tsy ho hitako eto an-tany mihitsy lesy ry lery
Raha izany fitovina izany
Tsy mambran’ny fokontany ahy
Fokonolona aza nanadino ahy a
Aza tsahoan’ilay letsy aho ry lery
Haiko tsara izany kôzy izany
Tsy olona adala lesy aho ry lery
Tsy hahalala setroka sy tomany a
Tsy haiko indray ny any an-danitra any a