Tsy tany amparihin’Itasy aho omaly
Tsy nahita ilay voninkazo ti(a)nao
Ka indro nitondra ireo bômbô gasy
Tsy tany amparihin’Itasy aho omaly
Tsy nahita ilay voninkazo ti(a)nao
Ka indro nitondra ireo bômbô gasy
Ho entinao ma(ha)tsiaro ireo zava-maro nataonao taloha
Ariary tokony ahazoako sigara
Aleoko niafy tsy nifoka akory
Naleoko nividy ireo bômbô gasy
Ariary tokony ahazoako sigara
Aleoko niafy tsy nifoka akory
Naleoko nividy ireo bômbô gasy
Mora mampisava ny ngidin’ny fiainana efa mankalao
Sendra an-dry zalahy aho voatery nitsoaka
Androany mivoady tsy hisotro toaka
Naleoko nitondra ireo bômbô gasy
Sendra an-dry zalahy aho voatery nitsoaka
Androany mivoady tsy hisotro toaka
Naleoko nitondra ireo bômbô gasy
Toa tsy mankalao fa mamy daholo izao tontolo izao
Fa maika ny hamonjy ny anilanao
Ka indro solafaka ity havanao
Ireo nianjera ireo bômbô gasy
Fa maika ny hamonjy ny anilanao
Ka indro solafaka ity havanao
Ireo nianjera ireo bômbô gasy
Tsy maha te hijery ireo masonao efa nanantena
Tsy tany amparihin’Itasy aho omaly
Tsy nahita ilay voninkazo ti(a)nao
Ka indro nitondra ireo bômbô gasy