Ianao mitady olona tena mafibe
hiantoka anao amin’ny mafy
Hay Ianao mitady olona tena kalabe
Hay Ianao mitady olona feno fandeferana
Hay ianao mitady olona tena mafibe
Hanaraka anao amin’ny gafy
Taty, taty, taty ianao no nitonantonana
F’izaho, f’izaho, Izaho namaly moramora hoe:
Any lavidavidavitr’any indray mba mitady
Ts’izaho velively izany bandy izany
Tsy izaho velively ny olona mazana ahavita izany
F’izaho bandy kely tsy ampy sakafo
Izaho tsy mba nanana zavatra lafo
Naleoko tsy nanana olo-nitia
Izaho bandy kely, kelikely sandry
Tany, tany, tany aho no nitonantonana
F’ianao, ianao, ianao nandroaka moramora ka
Any lavidavitra any aho mba hitady
Tsy indry velively izany kala izany
Tsy indry velively no olona hiharitra anay amin’izany