lotateny : (tsy fantatro fa ialàko tsiny e! )
Io an’izy avy etsy mivadika avy aroa
Ny fanontaniany mihodina ao an-doha
Fa nahoana kosa izy re ! Izy re !
No mahatsiaro ho ratsy tarehy
Moa ve i Jehovah no miangatra
Fa manome azy sary mankalao ,kalalao,mankalao
Sao de mba ny rainy fony nanamboatra
Sa ny reniny no tsy nazoto loatra
De namboarin’izy ’ray sy valo
’Zao ’reo bandy kely tsy mijery fa mandalo
De mitoka-monina ;rehefa sendra mba mandeha mandihy
Fa tsy misy olona ,mba mazoto hanatitr’azy
rehefa mody ;miantso tody
Nataony tamin’ny fo fa tsy mba vazivazy
Ny namboatra volo ,nanao pilakazy
Napetany tokoa ’reny lokoman’ireny
Nefa toa mandaing’ilay fitaratra jereny
Io an’izy avy atsy mivadik’avy aroa
Mba maniry mafy ny hiara-droa
Henik’azy indray ny arabe
Sy ireo toerana hoe be mpandeha
Soa re nony ela dia nisintaka
’Lay tandrifin-drahona efa teo
’Zao vô tsapany mangarangarana
Tsapany ny tsirom-pahasambarana
De nandramany ny kilalao,
Sy ilay zavatr’hafa tsy fatao,hatrizao
Kanjo ny fitiavana ,lasa nangatsiaka nony lena
Iz’irery sisa miantso,miverena
Nalefany tokoa ireny taratasy
Sy odifitia,na fanafody gasy
’Zao ny hambom-pony ,kotsan’ny tomany
Kanef’ilay rangahy tsy te hahalal’izany
Io an’izy avy atsy mivadik’avy aroa
Mila ho lasa adala mivadik’atidoha
Vidin’ny adalana izay natao
Indray alakamisy hariv’izay
Diso ny fanisa ny andro :
Ny zavatra tonga isam-bolana
Manjary toa mandainga fotoana
’Zao izy ratsiana te hinam-boasary
Marikivy indray no haniny
Raha vô mijery ny mason’i Neny
’Lay aretina rehefa kelikely
Ny ravin-javoka,somary tenehina ,
Dimy no indray mihinana irony nivakinina
Kanefa hatramizao tô tsy haninona tsy haninona