Nananika ny tohatra sy havoana marobe
Nitety lohasaha nanaraka arabe aho
Nanangona ny ora ho lasana andro maro
Nanangona ny andro ho lasa taona maro aho
Sarotra ny làlana mitondra ampiadanana
(Mitety Lakilasy sy mandrovi-pataloha
Ao ampaosiko ao kanefa misy Bibilava
Bibilava ngoza be Bibilava noana lava
Nisy ireo nijanona nanambitamby ny azy
Ka ny fianarana nanjary vazivazy
Tsemboka ny andrina vao mba nihinankanina
(Nanao batilazy sy nandrovi-pataloha
[(Izany no fiainana hiainana aty)2
Fiainana mifono Taratasy]bis
(Taratasy mankany aminay)2
(Feno soratsoratry ny olo-mahay)2
Ka mandidy (tsy refesi-mandidy)2
Misy anefa ireo tsy mba nianatra firy
Tsy mba niezaka tsy mba nikiry
Niandry ny (Dada)2ny ho faty
Niandry ny (Neny)2ny ho faty
Miandry ny lova be tonga ny lova be
(Nandihindihy nandany vola
[(Izany no fiainana hiainana aty)2
Fiainana mifono vola taratasy a!]bis
(Vola taratasy tsy anananay)3
Fa lafo vidy (fa tena lafo vidy)2
Nananika ny tohatra sy havoana maro be
Nitety lohasaha nanaraka arabe aho