Miala any ary i Maria Katisoa
Monina ao Andohatampenaka
Nefa efa matotra firesaka
Niova ny ankizy ankehitriny
Fohazina alohan’ny amin’ny dimy
Ankizy ankehitriny ihany koa
Hanangana ny hoaviny (amin’inona moa)x2?
Miala any ary i Maria Katisoa
Kamokamo hamonjy lakilasy
Niova ny ankizy ankehitriny
Raha tohizany hatrany ampianarana
Ankizy ankehitriny ihany koa
Hanangana ny hoaviny (amin’inona moa)x2?
Iny izy mitazana an’i Ikopa
Mandeha mankany Betsiboka
Miala any ary i Maria Katisoa
Roa ampiana iray mira telo
Vary iray kilao zaraina folo
Niova ny ankizy ankehitriny
Ny Ray andevozin’ny dirômelina
Ny Reny mivaro-tena izay vao velona
Ankizy ankehitriny ihany koa
Hanangana ny hoaviny (amin’inona moa)x2?
Iny izy mitazana an’i Ikopa
Mandeha mankany Betsiboka