Nisy Mpanjaka antanàna Antandroy
Niteraka zaza kambana roa
Ny reninjaza efa maty nafohy
Ny Dadabe,dadaben’ny tanàna
Mpanolotsain’ilay Mpanjaka be
No niandraikitra ny fitaizana
Nampianariny nangalatra omby
Raha tsy izany tsy zanak’Androy
Nampianariny nampiasa ody
Raha tsy izany tsy zanak’Androy
(Taranaka tena Zafimanarana izy
Taranaka tena manana tantarany izy)bis
Tonga vahiny,vahiny tandafy
Nitondra fomba fitaiza hafa koa
Fomba fisainana,fomba fitafy
Nisy ny hendry tsy mba nino lainga
Fa nankasitraka an’i Dadabe
Ny iray kosa dia lasa nanainga
Nampianariny ny fomba ratsy
(Tsy isan’ny tena zafimanarana izy
Lendaty tsy mety mino ny tantarany izy)bis
Tonga ny andro fangataham-bady
Araky ny fombafomban’ny tany
Lasa ny endry nizaha Omby tany
Ndrisy fa sendra ny andiha-miaramila
Tao ilay Ndaty kambana aminy
Dia nasiny ny mpangalatr’omby
Basy lava sy ny basy fohy
Ka namaly ny mpangalatr’omby
Tamin’ny pilotra sy lefom-pohy
(Taranaka tena Zafimanarana izy
Taranaka maty teo ampiadina any izy)bis
Nisy Mpanjaka tanàna Antandroy
Nisaona ny zazakambany roa
Maty ny zanany, maty nafohy
(Tsy hitomany tsy hikika izy
Raha tsy izany tsy zanak’Androy)bis
(Taranaka tena Zafimanarana izy
Namohy ny dimby sy namohy ny farany izy)bis