Dia nisy ahiahy tao am-poko tao
Dia nisy hakiviana ihany koa
Dia nisy ranomaso nikoriana
Dia nisy sentosentom-pijaliana
Dia nisy ny fotoana nidongiana
Dia nisy koa ny teny tsy tana
Dia nisy ny fihetsika adala
Dia nisy lolom-po tao anaty
Dia nisy ny fiteny nahafaty
Dia nisy ny fotoana nidongiana
Tsy ho haiko na oviana na oviana
Ny hilaza nanahoana, nanahoana
No nahatonga ireny tao am-poko tao
Ô indrisy fa tsy ampy ny herin-tsaina
Fa niova ilay fitia nantenaina
Fa misy koa ny teny tsy tana
Fa misy ny fihetsika adala
Fa misy lolom-po ao anaty
Fa misy ny fiteny mahafaty
Fa misy ny fotoana idongiana
Fa ny teny no tsara lahatra
Hay ve mora ny manadino ilay tiana
Fa toa sarotra ny miaina ny fitiavanao, nefa
Na hisy ahiahy ato am-poko ato
Na hisy hakiviana ihany koa
Na hisy ranomaso hikoriana
Na hisy sentosentom-pijaliana
Na hisy ny fotoana hidongiana
Fantaro fa ianao no tiako
LOLO SY NY TARINY (Hanitra)