Zanaka Bara ialahy na zana-tSakalava na zanak’Ambaniandro koa é
Fanirian’ialahy hatramin’izay ny ho lasa miaramila matiloa é.
Saingy tsy anjaran’ialahy velively no mandahatra an’izany a
Indro ialahy fa lasa miaramila, miaramila ambonin’ny tany a.
An an, nefa lavi-dranomasina (2)
Henjakenjana ny fiainan’ialahy tany ambanivohitra taloha é.
Hany ka moramora tamin’ialahy ny nandeha nitodi-doha.
Nisy bekibo nilaza tamin’ialahy handeha ho any Antananarivo
Ny karama nomeny an’ialahy zara raha mihoatra ny arivo.
Dia nihevitra tsy ho resy ialahy
niambozona ny basy marovava jiosy a (2).
Antananarivo anie ka malaza, malaza maditra vahoaka é.
Indro ialahy fa voabaikon’ny ambony, voabaikon’ny ambony mba hitroatra é.
Dia nanomboka sabotsy maraina tsy nifarana raha tsy andro talata
basin’ialahy irery no miteny, niresaka nitatatata é.
Maromaro ny akamanareo no voalevon’ireo bandy kely a.
Saingy ialahy no tena kômandô ka afaka nitsoaka sy niery a.
Nandao fanjakana ny dadaben’ialahy, nandositra nankany Mandritsara.
Saingy ialahy no nahitahita nifikitra teto Vohitsara
Mbola nihevitra tsy ho resy ialahy
Mbola manana ny basy marovava jiosy a (2).
Nangidihidy ny tanan’ialahy nandritra an’ilay herintaona a
Ialahy bandy kely efa zatra combat, manondronondro lalana foana.
Nisy antokon’olona nilaza tamin’ialahy, nilaza ho tena fetsifetsy a.
Nampanantena nilaza tamin’ialahy, hanavotra indray ny FRS é.
Maromaro ny akamanareo no niakatra teny am-pitsarana a
Voaheloka mafy ianareo tamin’izany namono filoham-panjakana
Efa maty ialahy vao olo-malaza, maty teny Ambohijatovo.
Nalaza ratsy toy ny jiolahy, maty lavitry ny vovo.
Fa nihevitra tsy ho resy ialahy
Navadiky ny basy marovava jiosy a (2).