Rehefa fotoam-pialan-tsasatra moa
Dia maka rivotra ho’aho ry madama
Izaho irery ihany no hany tavela
Ny andro ririnina iaraha-mahala
Fa mamirifiry sy mamanala
Tonga ty satry ny fakam-panahy
Hizaha namana mba hanafana
Tsy nanahirana ahy velively
Ny hitady sipa na madimozely ô
Fa tonga tampoka ho’aho i madama
Nidobodoboka mafy ny foko
madama anefa nidrinkina mafy
Navadibadiko teo ny saiko
Nikaroka hevitra hialana bala
Ny fahendrena dia ny mangina
Mifona mivalo any aho ry malala
Tsy nanahirana ahy velively
Ny hitady sipa na madimozely ô
Fa tonga tampoka ho’aho madama
Ry lehilahy tena maivan-doha
Na ny endrikao aza toa mankan-doa
Maharikoriko ny toetranao
Fa be rendrarendra sy lalao
Ny tokantranoko no anaovao
Raha ny alaheloko no amparina
Angamba izy tsy tafarina ô
Indray mitoraka ity aloha
Dia ampandeferiko ny hambom-po
Saingy raha misy ny faharoa
Dia ho vita hatreo koa ny antsika roa
Raha tiana haharitra ho’aho ny fitia