Andriamanitra Andriananahary,
Ray Mpamorona sady Nahary!
Be Fitiavana tsy mba manary,
Mpamindra fo amin olo mijaly!
Izao tontolo izao no mijoro,
dia noho ny herinao Manontolo!
Koa hanandratra ny anaranao,
Tsinjovy ireo olo marary,
miady mafy amin izao ora izao!
Tsinjovy izy ireo fa mijaly,
sitrano amin'ny Anaranao!
Ao koa ireo olo sahirana ,
tsy mety mahita mangirana!
Niavonan i vintana angamba ,
tolory vary, savony sy lamba!
Ireo mpanota izay varimbariana,
iantrao f aza mbola ariana!
Tsy mahalala izay tokony ho atao,
aza adino fa mba zanakao!
Fa ny rendrarendra eto an tany,
mitombo, mitombo hatrany.
maninona moa raha gadraina?
Fahotana nataoko tsy nahy!
izay namitaka nandavo ahy!
fa ny otako aloha mba fafao e!
Fa ny olona Manao ny tsara,
sao ho kivy ka lasa hanondrana!
Ny Ampitso mantsy zava miafina,
sao ny làlan-drehetra ho tampina!
Ka ny làlana namboarinao ô,
no indro ho tadiaviko izao!