Fantatrao fa mbola zaza aho
Nanodoka ny hoe : " TIAKO IANAO "’
Zay arahan’ ny fampanantenana
Mambabo ireo resany sy ireo fanomezany
Fanimbana anefa no Katsahiny.
Ranomody amie aho, rano mody
Toa ny afo anie ny aty, k’asanao hampiara-dia
F asehoy anay ’lay tena fitia
- Vorona o ! etsy hafarako ianao
Hitondra izao hafatro izao
Any an-tany lavitra any ou ! ou !
- Vorona o ! mba faingana re ianao
Fa lavitra ne elanelan-tany
Hampitondraiko ’zao hafatro izao ou ! ou !
Tsimbino ny fitiavan-dRay sy Reny
Ny kamboty mbola kely o !
Tsy mba manana mpijery (2)
- Vorona o ! mba faingana re ianao
Fa lavitra ne elanelan-tany
Hampitondraiko ’zao hafatro izao ou ! ou !
Vorona o ! arovy eo ambany elatrao
Tsy mba manadino anao (2)
- Vorona o ! etsy hafarako ianao
Hitondra izao hafatro izao
Any an-tany lavitra any ou ! ou !