Ho tantaraiko an'ialahy sy holazaiko an'ialahy
Ny fiainana ao Antananarivo
Tsy mba resaka amin'ny ara-politika
Fa resaka Fitia ilay maro Mpankafy e !
Misy azy izay tsy manana Mpitia e
Tsy mba manam-pisakambina an-kavia e !
Hifaninanana ny mampiara-dia
Zazavavin'Iarivo tadidio sy tsiahivo
Misy betsaka no sady mihamanja
Vao mitsiry d'efa manam-paniriana
Mpitantana , mpizaka , mpanatitra sy mpaka
Sady jefy no vaventy fa tsy kely
Na ny zipo aza toa tsy nekeny
Nosoloiny pataloha teritery
Izay rehetra tazana , toa samy mazana
Toa zana-javatra avokoa , mahamirana
Nisafidy ny ao am-po , sahiran-kirana
Izay banjinina te hofihinina
Toa mizara ny ao am-po , ka sahirana
Iray ihany ve sa roa , manahirana
De mba mody saro-piaro lerony e !
Nefa manana ao ambadimbadika ao
Ka raha ny fony no mody atolony an-dry !
Ny sainy koa dia lasàna ary ...
Raha ny sainy no misento an-dry !
Tsy mba soa ny manan-droa ry Lery e !
Raha resaka Fitia e ! (2)
Tena manja ho'aho ny zanak'Iarivo !
Tena manja ho'aho ny zanak'Iarivo o !
Zazavavin'Iarivo , misy ireo mpanarivo
Entin-drevy de miraiki-pitia e !
Revirevy dia mivadika Fitia
Ary ny Fitia mivadika ho Revy
Ny efa manana aza te hanary ny azy
Sanganehana ireo vita mariazy
Tsy voatandrina ny didy fahasivy
Zazavavin'Iarivo , misy tena marivo
Entin-drevy de miraiki-pitia e !
Sakambinina tsy bedindRay sy Reny
Tsy misy an-kiteny , miridana teny ho eny
Sady jefy , no vaventy fa tsy kely
Na ny zipo aza toa tsy nekeny
Nosoloiny pataloha teritery
Izy miakatra ny tohatoha-bato
Ialahy manaraka eo afara eo
De mientam-paniriana tokoa
Mitsiriritra ialahy mibanjina azy eo
Lasa adala ialahy ka zary manonofy
Ho eny Ambodin'Andohalo .
D'eny Ambohimanambola a !
La la la la la la la , Mahalasa vinany ...