Eto anatrehan’Andriamanitra
Hanaiky anao ho fitiavako
ho mandra-maty tsy an-kivadika.
Tsy sanatria filan’ny nofoko
Na koa fitiavana hiserana
F’ilay fitia ho zary taratra
Firaisan’aina tena masina
Fa tena tiako, eny tena tiako
Fa fanomezana avy aminao, ry Tompo
Ity olon-tokana meva nofidiako
Voninkazo manam-petra hoekeko mandra-maty
Hoentiko anatrehanao, ry Andriamanitra fitia ô
O ry Ray ô, tiako sady mamiko ianao
hitia tsy misy fetra ô anilanao
Ka ny androko tontolo sy ny fiainako rehetra ô
Tsy hoe tiako izy ka nofidiako
Fa nofidiako izy ka tiako, ou ooooo
Ny lalako iny lalan-davitra
Fa rehefa tia tsy mba matahotra
Tsisy olombelona mifankatia
Ka tsy ho tafita am-paradisa soa
fa mamy loatra ny fitiavanao
Asiana tsiky, fandeferana
Ilay fitia tsy mba misaraka
Firaisam-po mifampitantana
Fa rehefa tia, rehefa tena tia e
Mahita tsiky tsy resin-dranomaso
Mifankatiava dia izao: matokia!
Voninkazo manam-petra hoekeko ho mandra-maty
Hoentiko anatrehanao, ry Andriamanitra fitia ô
(tena tiako mandra-maty ô)
O ry Ray ô, tiako sady mamiko ianao
(tiako sady mamiko ianao, ianao tiako)
K’io ny foko sy ny saiko hitia tsy misy fetra ô anilanao
Ka ny androko tontolo sy ny fiainako rehetra ô ao aminao
(Ka ny androko rehetra sy ny fiainako ho anao)
Dia hotantaniko ny tanany
Dia ho tiako hatramin’ny farany
Dia ho tiako hatramin’ny farany