(Tadidinao ve ilay golf nifandona tamin’ny camion teny Fenoarivo iny? Eh maty tamin’iny ilay tovovavy kely mpankafy tao Ambodin’Isotry)
Hmm, han an.. Nankaiza e? Lasa izy e!
Midona malefaka ny any Fenoarivo any
Mamaly azy manjombona hariva ny ao Ambodin’Isotry
Fa mitomany, tsy tafandry
Tantaran-dry sisa tadidy, ilay mpankafy e, tena tia e
Ireo tononkira izay namidy
Tomany andry e, ny rehetra aty e
Antsahamanitra na hatraiza hatraiza
Hmm, indry tsy mba sasatra
Mpankafy teo anilan’i Neny, hmm
Tsy ho hita intsony ireny rehetra ireny
Ikalaoly a, ianao no tsiahiko
Tandindonao sisa mitoetra
An-dalana iny e, toy ny fahiny
Ilay mpankafy tianay rehetra
Izahay namanao mahatsiaro anao
Vavahadiko mivoha ianao mitranga, hmm
Fahatsiarovana sisa Ankazomanga
Fihaonantsika mpankafy Ny Ainga