Ry vorona ô mikopaka iny an-danitra iny
Mba tazanao Ravolasoanirina izay e
Misento an-tanan’olon-kafa
Fa nosoloiny an-tsokosoko ô
Fa lavitry ny maso mantsy dia nafoiny
Ny fiainany nampoiziny ho tantely hatrany
Fa saingy re ny voky tsy mahaleo ny tsiaro
Ny safosafo eran’ny vatany
Mamoha sary avy ao anatiny
Ny orokoroka am-pandriana e
Tadidy foana mantsy hoy aho ilay voalohany
Ny lasa anie tsy mety maty e rey olona ô
Ny lasa anie misoka mora rey olona ô
Ilay nisantatra ny molony e
Ilay nisantatra ny vatany
Any izay fa tsy hay kosehina
Tadidy an’io fa tsy voakosoka e
Tsy levony tena tsy levony
Fa re manonja mangingina ry lahy e
Ooo E roy e izany mantsy ity fitia e
Hafa ihany ilay voalohany
Izany mantsy ilay voaloham-pitia e
Mitia anie ny tia fa mbola azo fitahina
F’ilay taloha mamela tsimoka ao an-tratra
Ny tia rehefa lasan-davitra
Ilay ranomaso harivariva ooo
Fa any ho any mantsy izay ilay tokana iny