Toa mangingina ety raha tsy eo ianao malala
Toa mamanala akia nilaozanao
Maniina anao aho, manina anao.
efa mirakitra ireo dinantsika teny
Natrehan’ny habakabaka iny nifamihina e
Tsy ho hadinoiko e ho tsiahiko
Ny lalantsika ity efa safidy ô ry tiana
Lalam-pitia anie feno herisetra
Tsy itarainana, izay no fiaiinana
Manina anao aho, manina anao.
efa mirakitra ireo dinantsika teny
Natrehan’ny habakabaka iny nifamihina e
Tsy ho hadinoiko e ho tsiahiko
Ny lakantsika ity anivon-drano malala
Ny ao an-tanàna koa misy mandrahona
Fa manantena ilay fandresena
efa mirakitra ireo dinantsika teny
Natrehan’ny habakabaka iny nifamihina e
Tsy ho hadinoiko e ho tsiahiko
Na fandrahonana hatrany am-ponja aza
Tsy nahasaraka mbola hifamihina
Fitia tsy miahotra tsy misy tahotra
Manina anao aho, manina anao
Nanatrika iny ranomaso harivariva
Lay tafasirintsika amorom-patana e
Sedram-pitia ô, sedram-pitia.