Hitsikitsiky isika ampiara-peo
Patty:mpiaro ny zon’ny ankizy aho
Patty:’zay tokoa ilay izy
Patty:naman’ny rehetra aho
Ny hirako hira any an-danitra ihany
fa hira mitondra ny lokon’ny tany
hira mampihaina fitiavana
mahamendrika ny olona......
tsy mba sarahiko amin’izay ety an-Tany
Deraiko amin’ny olona velona
Ô! izany no hirako ilay hirahirako
Fiainana kely ao anatin’ny akany
zaza kamboty aho fa mihira ihany
ka tiako sy akaiky ny foko e!
Sady mihira aho no mianatra mafy
ny tsikin’i Neny tsaroako ato anaty
Dia an-tongotra be no hamonjeko sekoly
de sady mandeha aho no miala voly
Eny an-dalana eny aho misy miantsoantso
fitiavanareo mankafy zava-kanto
satria tiako be ’nareo......
Raha mbola mitempo ny foko ato anaty
hihira hatrany aho mandra-pahafaty
raha mbola tany koa ny tany.