1. Tomany aho omaly hariva nahatsiaro anao
Ianao ilay olo-malalako tsy lasa vadiko
Nifanenna tampoka isika teo Antaninarenina,
Ianao ilay nitantana zaza, ilay sombin’aintsika roa:
Ilany kelin’ny fiainako...
2. Io ilay sombin’ny aina tsy mba nampoizina
Nisento marary ny anatiko nibanjina azy
Endrey ’zany maso sy ny orony retsy dia ahy navela
Ianao ilay nitantana an’azy, fikiriny mafy tokoa
Dia indro tsaroako miverina am-poko ny tantarantsika
Grandy Vakansin’ny volana Août ’lay tany Toamasina e!
Lasam-binany aho e,... Dimy taona izany!
Ianao aza angamba mitsiky mahatsiaro ny fiarahana iny:
Ny hôtely sy ny soupe chinoise
Fiainana dia sombinaina nipetraka.
Tsy maty am-poko eny aky ny lasa
Malala ô! manonjanonja e...
SIPAKO TALOHA ... Tsy lasa vadiko!
3. Mbola eny ihany ilay tsikinao toa menamenatra
Ianao koa somary nihena fa mafy ny fiainana
Izaho any am-piasana aky tsy mandry, miasa loha,
Raha misy izay andefimandry, hafenina ve ny taloha?
Sendra nadalo ny tranonareo aho omaly hariva
Dia tazako mazava jiro tokoa ’lay efitra avaratra...
Lasam-binany aho e... Nanjohy mangina ny diako,
Ianao angamba efa mandry, mandrotsirotsy ilay zaza
’Lay zaza mibada mangina,
Tsy anilan’ny rainy sahady
Zanaka tokan’ny revim-pitiavako...