Mandalo miserana ny eto an-tany
Kanefa ny any an-danitra any
Maharitra tsisy fiafarany.
Raha mbola eto an-tany isika mety hitomany
No miandry antsika an-danitra any.
Mandalo koa, ny tsy fisiana
Fa fiainam-piadanana mandrakizay
No miandry antsika havako oh
Raha miala ety rahatr' izay.
Any an-danitra any, feno fifaliana
M'rosoa rahavako izany **
Alao sary an-tsaina hoe any am-bavahady,
Miandry am-pitsikiana mba
Handray izay nandresy an' ady.
I Jesosy Tompo Ilay feno fitiavana
Midira, mandrosoa rahavana.
Ho adino e, ilay fijaliana
Ho adino koa ny fahoriana.
Fa fiainam-piadanana mandrakizay,
No miandry antsika havako oh!
Raha miala ety rahatr' izay.
Ho adino koa ireo fahoriana.
Na inona vesatry ny adim-piainana
Dia matokia fa Jesoa ilay Mpandresy
Izy tsy hanary na handao,
Hampandresy anao Jesoa Ilay tia anao.
Hizory ny lalana ka aza mihemotra
Miandry antsika Jesoa Tia.
Miandry antsika anie Jesosy Tompo Tia
Miandry antsika anie Jesosy Tompo Tia
Miandry antsika anie Jesosy Tia
Herezo ny Dia, any an-danitra ny faran' ...