Isaoranay sy ankalazainay ny Andriamanitray
Ry fanahy masina avo indrindra
Tena faly izahay ry Andriamanitray
Faly izahay maneho fiderana anao ry tomponay
Ny talenta tsy anay fa ianao no tena mahay
Koa raiso re ny dera sy laza ho anao Andriamanitray
N'iza n'iza miseo mahay tsy mba misy toa anao
Ka na iza miseho ho ambony sanatria izay toa anao
Anao irery izany ry tomponay
Haleloia voninahitra ho amin'ny avo indrindra
Ho azy irery anie ny fiderana
Taona maro lasa izao no niderana anao
Mbola ho toizanay amin'ny andronay sisa eny hatrany amparadisa
Mbola hasandratray hatrany ny fiderana
Ny tsara rehetra izay vitanay dia tolotsaina avy aminao
Ny fahombiazanay tsy anay fa tena fahombiazanao
Anao irery izany ry tomponay
Aleloia voninahitra ho amin'ny avo indrindra
Ho anao irery anie ny fiderana
Ny tsara rehetra izay vitanay dia tolotsaina avy aminao
Ny fahombiazanay tsy anay
Anao irery izany ry tomponay
Aleloia voninahitra ho amin'ny avo indrindra
Ho anao irery anie ny fiderana
Ho anao irery anie ny fiderana