Avy aiza ny tany niaviana
Aiza ho aiza fa tena mahavariana
Ny fandihy e, mahavariana
Ka diniho ary mba fantaro tsara
Ny fitafy nentin-drazanay e
Ny fandihy e tsy nindraminay e
Ao Afrika atsinanana ao no misy anay e
Atopatopan'ny onjandrano izy izay e
Nefa tsy izahay no lazaina hoe manirery
Manana havana maro be ka sy very
Ny havana akaiky dia Afrika
Ny havan-davitra koa dia maro
Izay no paraky miampy laro
O, ry lahy e, O re roy e, e,
O, ry lahy e, O re roy e, e,
O ry lahy e, e, O re roy e,e,
O, ry lahy e,e,O re roy e,e,
Izany izy rehefa mandihy.
Misoratsoratra kanto ery.
Avy aiza no tany niaviana.
Aiza ho aiza fa tena mahaliana.
Ny fitafy e,e, hafa kely e,
Ny fandihy e,e, mahavariana.
Rakotomavo Gabriel (Dadagaby)