1. Maro hifidianana tsy hita tanisaina
Ny lolo lohantaona ery anaty zaridaina
Mahavalalanina raha ho tantaraina
Mihaingo sy mirenty re tsy hita izay ho alaina
Misosa mianavaratra misosa mianatsimo
Tsy mahalala sasatra fa dia mirimorimo
Ny raozy sy ny pika re tsy misy izay adino
Orohana daholo ka sarotra ny mino
Ref: Manja e, manja e, manja e
Orohana ny pika aloha fa manja e
Enjehina ny raozy aloha fa manja e
Indreny fa mihaingo sy mirenty e
Isan'andro izao dia andro fety e
Ny avo sy ny iva dia voatety e
2. Mba haraho maso anie ny lolom-boasary
Miravaka hazambina hoy aho ka mahate haka sary
Kanefa ny fihetsiny dia tsy zarizary
Fitahiny ny lisy sy ny felan-drambiary
Ny lolo amberivatry dia mitafy lamba mavo
Lalovany ny ahitra ka faly sady ravo
Omeny toky koa re ny fanjan'ny voatavo
Fa ny tena tiany dia voninkazo avo
Ref: Manja e, manja e, manja e
Orohana ny pika aloha fa manja e
Enjehina ny raozy aloha fa manja e
Indreny fa mihaingo sy mirenty e
Isan'andro izao dia andro fety e
Ny avo sy ny iva dia voatety e
3. Misy mangamanga ka misoratra volory
Anefa anie ny hajany tsy fantany akory
Ny vonim-paiso kely dia omeny sorisory
Kopahiny hihintsana ka tsy afaka mivory
Ny lolo lohantaona dia mivolom-bolamena
Fantatra avy hatrany hoy aho fa tsy manaja tena
Mamangy telomiova sy ny songosongo mena
Kinanjo dia nafohy fa mitsetsitra tangena
Ref: Manja e, manja e, manja e
Orohana ny pika aloha fa manja e
Enjehina ny raozy aloha fa manja e
Indreny fa mihaingo sy mirenty e
Isan'andro izao dia andro fety e
Ny avo sy ny iva dia voatety e