Tandrifin-drahona hono malala ny fitiavantsika
Indraindray maloka, indraindray koa manorana
Fa tsy misy olana, tsika no manazava
Raha zah no diavolana, ianao kintana mandravaka e
Betsaka ihany aki raha ireo tantarantsika
Nandalovana ny ady mafana sy ny mangatsiaka
Fa mbola eto foana e, tsika roa samy tsy hiala
Diso ve ny tena raha hiteny hoe : "za maka antsika"
Am-pitsikiana no ilazako fa
Fanomezana avy ao Ambony ao
Nomenao ahy, ilay tena notadiaviko
Ahy ny malalako, ary azy aho e
zaho ho anao e, ianao ho ahy e
Ahy ny malalako, ary azy aho e
ny foko omeko e, ny anao ko omeo ana
Anio ho anao, dia lazaiko ny tsiambarateloko
Efa navadibadiko im-pito ny lelako o
Ny foko no avelako hiteny fa ny hafa no ferako o
Ny mombamomba ny ho avintsika no mandany lerako o
De manomboka eto ary ity ny tantarantsika
Andriamanitra Ray be fitiavana no hi-tantana antsika
Dia atolory ahy ny tananao e
Tena faly aho manana anao e
Am-pitsikiana no ilazako fa
Fanomezana avy ao Ambony ao
Nomenao ahy, ilay tena notadiaviko
Ahy ny malalako, ary azy aho e
zaho ho anao e, ianao ho ahy e
Ahy ny malalako, ary azy aho e
ny foko omeko e, ny anao omeo ana