Ary ilay tamin’ny Taloha e
Tadidinareo daholo ve ireny ?
Ilay mbola midongy amin’i Dada sy Neny
‘Tsika lesy ilay tamin’ny Taloha
mbola ilay mifaninana manao kanety
Dia nanomboka bebe lamaody
Pataloha miborotsaka sy kaskety
Mino aho fa tsy mba ho hadinon’ialahy
Ilay nahitan’ialahy an’i madama
Ilay ianareo tsy hita dia izahay nihanahana
Ary ilay tamin’ny taloha letsy isika
Dia mitsoaka dia lasa dia tamin’izany tena hoe falifaly ery!
Tsika ilay manao arafanenjika … (Ndriii !!)
‘Zao letsy ny eritreritra ndray no manenjika
27 de boka e, boka e, bonbon ny loka e
Alefaso Tom Sawyer jerena, Lucky Luke Mbola tsisy Facebook
I Neny koa nanome toky, mamboly voky tsy mamboly voky
Sady nankafy letsy no niadana
Raosi-jamba o! Raosi-jamba ! Raha mahita ianao ô
Mampanembonembona ny efa fahiny e
Tiako foana atao ambetin-dresaka
Satria tiako ny fahazazana, tiako ny fahatanorana
Tamin’izany letsy tsika natao irakiraka
Zao ndray ilay fitadiavana mahazaka maniraka
Zao lesy ilay hoe kriizy mafy e
Tsy ohatran’ny rehefa krisimasy e
Miandry fanomezana amin’i dadabe noely
Izay tsy mikipy tsy asiako ô
Zay tsy milahatra vaky atody
Ohatry ny hoe vao omaly tadidiko
Raha tsy maizina ny andro tsy mahalala mody
Mbola variana mifanenjika
Alibaba, Alibaba ,Polisy sa volera?
Ary ilay nanomboka nisy fitiavana
Dia tsy nahinan-kanina … Taiza?
Hoe I anona egale i anona
Tamin’izany mba Faly ery, rehefa voatonona ny anaranay
Ao anaty lalaon’ireo tovovavy ireo chapeau de paille
Vive les amoureux! Tantara taloha e
Averina ao moa e, ilay Tantara taloha e
Mampanembonembona ny efa fahiny e
Tiako foana atao ambetin-dresaka
Satria tiako ny fahazazana, tiako ny fahatanorana
…Indrisy moa efa taloha e