Ho aiza moa ianao ? Handeha ho aiza moa ianao ?
Tsarovy fa ny natao teto an-tany
No ahitana izay làlana hombàna.
Ilay Nahary anao mbola miala nenina aminao.
Fitiavan’izao, mba hanananao fiainam-baovao.
Ho aiza moa ianao ? Handeha ho aiza moa ianao ?
Tsarovy fa ny natao teto an-tany
No ahitana izay làlana hombàna.
Ilay Nahary anao mbola miala nenina aminao.
Fitiavan’izao, mba hanananao fiainam-baovao.
No ahazoanao Ilay paradisany
No ahazoanao Ilay paradisany
Ovay ny fonao, ovay koa ny sainao !
Tsy mahavonjy anao io làlan-dratsinao.
Miverena ianao, todiho Ilay Tomponao
Tsy tiany ho very ianao ka modia re ry ondry nania !
Ny afo be anie no miandry anao ry se raha toa ianao tsy handre.