Ry zanak’Andriamanitra rehetra izao,
mbola hifandrafy foana ve no atao?
Hisakelika fiatsaram-belatsihy
nefa maha sampona ny dia.
Ry zanak’Andriamanitra rehetra izao,
mbola hifandrafy foana ve no atao?
Hisakelika fiatsaram-belatsihy
nefa maha sampona ny dia.
Ref : Ka andao hifankatia, andao re hiara-dia !
Andao re hikambana ao amin’i Kristy !
Ho tia ny namana, ho tia ny havana,
izay nomena ho antsika rehetra izay mandre
Ka hanao filamatra ny fifankatiavana.
Angamba isika mahatsàpa izao
fa firaisankina no tsara atao.
Ireo lolom-po sy fosa, ialao
fa tsy mahasoa antsika izao.
Angamba isika mahatsàpa izao
fa firaisankina no tsara atao.
Ireo lolom-po sy fosa, ialao
fa tsy mahasoa antsika izao.
Ref : Ka andao hifankatia, andao re hiara-dia !
Andao re hikambana ao amin’i Kristy !
Ho tia ny namana, ho tia ny havana,
izay nomena ho antsika rehetra izay mandre
Ka hanao filamatra ny fifankatiavana.
Ka andao hifankatia, andao re hiara-dia !
Andao re hikambana ao amin’i Kristy !
Ho tia ny namana, ho tia ny havana,
izay nomena ho antsika rehetra izay mandre
Ka hanao filamatra ny fifankatiavana.