Tsy mitsahatra ny miantso ahy Ianao
Ny zavatra rehetra ampiasaiNao
Mba hahatonga saina ity maditra.
Toa ninia nandà ny antsoNao hatrizay
Nefa tsy nahita mangirana,
Fa ankehitriny aho dia manaiky amin'izay
Ny lalaNao Jeso Fiainana.
Fantatro fa izaho mihitsy e,
No tiaNao handeha ho irakao.
Hifaly aho ary koa hitsiky e,
Fa efa anisan'ny mpanompoNao.
Aminao intsony aho Ry Tompo o,
Fa manaiky hiasa, tsy hanao hoe "non".
Tsy mitsahatra ny miantso ahy Ianao
Ny zavatra rehetra ampiasaiNao
Mba hahatonga saina ity maditra.
Toa ninia nandà ny antsoNao hatrizay
Nefa tsy nahita mangirana,
Fa ankehitriny aho dia manaiky amin'izay
Ny lalaNao Jeso Fiainana.
Na dia betsaka ny ota natao
Dia tsy kivy Ianao fa nomba ahy.
NasehoNao fa tena tia Ianao
Te hanavotra ny fiainam-panahy.
Efa latsaka tany anaty aizina aho
No natsangaNao ho sambatra.
Ka sahy manambara izao teniko izao
Ho ren'ny tany aman-danitra.
Fantatro fa izaho mihitsy e,
No tiaNao handeha ho irakao.
Hifaly aho ary koa hitsiky e,
Fa efa anisan'ny mpanompoNao.
Aminao intsony aho Ry Tompo o,
Fa manaiky hiasa, tsy hanao hoe "non".
Fantatro fa izaho mihitsy e,
No tiaNao handeha ho irakao.
Hifaly aho ary koa hitsiky e,
Fa efa anisan'ny mpanompoNao.
Aminao intsony aho Ry Tompo o,
Fa manaiky hiasa, tsy hanao hoe "non".