Marenina aloha fa tsisy hiasana
Mareninina aloha fa aza be di-doha
Marenina aloha fa tsy akamako intsony e
Raha misy alahelo mankarary ny fo
Raha mbola tia raha bôjo sy tia zaka mora
Raha mbola tia vandivandy manantena ny tsy misy
Manara-penitra miteny sinoa
Manara-penitra tsy vitam-belirano
Manara-penitra vita nanahary
Manara-penitra ho an'ireo mirary loza
Marenina aloha fa tsisy hiasana
Mareninina aloha fa aza be di-doha
Marenina aloha fa tsy mahay badalela
Ity molotra be mipetsopetsona ity
Ireo laingabe izay nafafy izay lovainjafy
Ny lehilahin'ity pelipelika ity
Mbola ho voan'ny tampify.
Manara-penitra tsy fanta-piaviana
Manara-penitra tsy hita atao ahoana
Manara-penitra amin'ity tany tan-dalàna
Manara-penitra sady manara-molotra
Toneo ny fo dia marenina aloha
Marenina aloha dia tony ny fo dia marenina aloha
Toneo ny fo dia marenina aloha
Marenina aloha dia tony ny fo dia marenina aloha
Marenina aloha fa tsisy hiasana
Mareninina aloha fa aza be di-doha